¹⁴ FA ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany: ¹⁵ koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray,–samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy. ¹⁶ Ary niaraka tamin’izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy. ¹⁷ Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony. ¹⁸ Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan’ny tompony. ¹⁹ Ary nony ela, dia tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin’ny volany. ²⁰ Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho. ²¹ Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao. ²² Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho. ²³ Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao. ²⁴ Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary hianao, mijinja eny amin’izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin’izay tsy nanahafanao; ²⁵ dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin’ny tany; indry, lasanao ny anao. ²⁶ Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin’izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin’izay tsy nanahafako; ²⁷ koa tokony ho nampanàna ny volako tamin’ny mpanàna vola hianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany. ²⁸ Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo. ²⁹ Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. ³⁰ Ary ario ho any amin’ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00