⁵⁴ ARY izy ireo nisambotra an’i Jesosy, dia nitondra Azy ho ao an-tranon’ny mpisoronabe. Ary Petera nanaraka teny lavidavitra eny. ⁵⁵ Ary raha namelona afo teo an-kianja ireo ka nipetraka, dia mba nipetraka teo aminy koa Petera. ⁵⁶ Ary ny ankizivavy anankiray, nony nahita azy nipetraka teo anilan’ny afo, dia nandinika azy ka nanao hoe: Ity koa nomba Azy. ⁵⁷ Fa izy nanda ka nanao hoe: Ravehivavy, tsy fantatro Izy. ⁵⁸ Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa mba naman’ireny. Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho. ⁵⁹ Ary rehefa afaka tokony ho ora iray, dia nisy anankiray koa nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy. ⁶⁰ Fa hoy Petera: Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao. Ary niaraka tamin’izay, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno. ⁶¹ Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an’i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin’ny Tompo nolazainy taminy hoe: ’Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handa Ahy intelo hianao.’ ⁶² Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra.
¹³ Ary tonga Jesosy, dia nandray ny mofo, ka natolony azy, dia vao ny hazandrano indray. ¹⁴ Izany no fanintelon’ny nisehoan’i Jesosy tamin’ny mpianatra, rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy. ¹⁵ Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko. ¹⁶ Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va hianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko. ¹⁷ Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va hianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va hianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00